Contrat à durée déterminée Ohatra amin'ny andininy

Contrat à durée déterminée. 1 taona indroa miantoana ny ECD,ELD, EFA29, aorian’izay dia mivadika ho mpiasam-panja- kana raikitra avy hatrany ; Foanana ireo sekoly ambony nasionaly manofana mpiasam-panjakana (ENMG, ENAM, INFA, IMATEP, CNEAGR, ENAP30) fa hatsangana kosa ny lalam-piofanana « administration publique » isaky ny oniversitem-paritra ; Apetraka isaky ny oniversitem-paritra ihany koa ny lalam-piofanana momba ny « hai- tarika » sy ny « fananganana orinasa madinika sy salantsalany » ; Asiana mason-tsivana ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony mba ialàna amin’ny fampanjakana ny kiantranoantrano31 ara-politika sy ara-pihavanana : ◗ Apetraka ho ara-dalàna ny Vaomiera momba ny fitantanana ny mpiasam-panja- kana32 izay mandrindra ny filàn’ny Faritra samihafa sy ny Fanjakana foibe : CNGRH– CRGRH ◗ Andraikitry ny CSTE ny mandravona ny tolokevitra sy manara-maso ny “fampidira- na33” sy ny “fanapariahana34” ny mpiasam-panjakana ary ny fanendrena ny mpia- sam-panjakana ambony35 : Manaraka ny mason-tsivana nofaritana, ary manaja ny paika36 voafaritry ny didy aman-dalàna ny fampidirana sy fanapariahana ny mpiasam-panjakana Mifanandrify amin’ny filàna eo amin’ny asam-panjakana ny fampidirana sy fa- napariahana ny mpiasa ; Mihatsara ny fepetra iasan’ny mpiasam-panjakana eny ifotony (trano fonenana, fitaovana iasana, fitaterana,…) ary ny Faritra no miantoka izany ; ◗ Havaozina ny fifampitondrana eo anivon’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena ary ny Zandarimariam-pirenena : Ireo rehetra nahavita fanompoampirenena ara-tafika37 dia mahazo miditra ho miaramila raikitra38 daholo ; ary laharampahamehana amin’ny fidirana amin’ny sekoly miaramila na polisy na zandary izy ireo rehefa mahafeno ny fepetra ilaina ;