Institut National du Travail Ohatra amin'ny andininy

Institut National du Travail. 1-4- Mitsinjo ny tombontsoan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa ny firafitry ny FIHARIANKARENA sy ny TOEKARENANY INDOSTRIA NO KITRO IFAHARANA◗ Havaozina ny firafitra ara-toe-karena hahatonga ny indostria ho kitro ifaharan’ny toe-karem-pirenena, ary manana andraikitra amin’izany ny fanjakana : Andraikitry ny fanjakana ny miaro62 sy mampirisika63 ny indostria izay mamorona asa sy mandray anjara betsaka amin’ny fitombon’ny harikarena ; Ny ANDI64 no mandrindra ny fampiroboroboana ny indostria ; Atao matotra ny famatsiana ara-bola sy ny fampiroboroboana ny indostria amin’ny alalan’ny FNDI65 ; Manolo-kevitra sy manara-maso ny fanatanterahana ireo fepetra ny CESC ; FEPETRA FIAROVANA66Fepetra fiarovana eo amin’ny politikan’ny akora : Miroborobo ny famokarana ny akora fototra ampiasain’ny indostria sy ny mpanao asa tanana ; ◗ Tohanana ny famokarana akora eto an-toerana :Hasy haodina ho lamba ; Fary haodina ho siramamy ; Palme, voanjo, tournesol, sésame, voanio haodina ho menaka ; Mangahazo haodina ho sakafo, harona, ethanol ; Fasimainty haodina ho loko ; Kraomita, Nickel sy Cobalt haodina ho fi- taovana samihafa ; Vy haodina ho an’ny fampitaovana sy fiara (ho an’ny famoka- rana eny amin’ny tontolo ambanivohitra) ary asa fanorenana (BTP) ; ◗ Tohanana ny fambolena sy ny fiompiana :Hamoraina ny paika fanoratana ny tany ; Hamoraina ny fahazoana tanim-panja- kana ho an’ireo mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ; Ampiroboroboina ny fifindra-monina ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ; Atao tanjona ny fahavi- ta-tena ara-tsakafo67