Journaliers Ohatra amin'ny andininy

Journaliers. DINIKA SOSIALY ANIVON’NY TOERAM-PIASANA◗ Vita fiofanana ary miasa an-kalalahana ny Solotenan’ny mpiasa sy ny Solotenan’ny sendikà isaky ny toeram-piasana manana mpiasa 11 no ho mihoatra ; ◗ Mitsangana ao anatin’ny roa taona (02) farafahaelany ny Komitin’ny orinasa ho an’ny toeram-piasana manana mpiasa 50 no ho mihoatra, ka anisan’ny iandraike-tany ny fanomezana tolo-kevitra hanatsarana ny asa famokarana sy ny tontolo iasa- na, ny fandrafetana Fifanarahana iombonana ary ny fiatrehana ny olana toy ny fa- mpiatoana ara-tekinika57“ sy ny fandroahana mpiasa faobe amin’ny endriny rehetra ; ◗ Anaovana fitiliana manokana sy tombanezaka izay iarahan’ny farimbotelo ny faha- tomombanan’ny Dinika sosialy sy ny Fahalalahana sendikaly isanambaratongany sy isan-tsokajiny amin’ny alalan’ny CSTE. FANABEAZANA SY FIOFANANA MITOHY HO AN’NY MPIASA◗ Tafiditra ao anatin’ny programan’ny fanabeazana fototra ny fiofanana arak’asa : fahaiza-manao, fahaiza-miaina amin’ny maha-mpiasa, fahalalana ny lalàna mifehy ny asa ; ◗ Ampitomboina ny isan’ny sekolim-panjakana manao fiofanana araka asa ary atao mifanentana amin’ny ilain’ny fiharian-karena izany ; ◗ Amporisihana ny fiaraha-miasan’ny sekoly sy ny orinasa amin’ny fampiofanana ny mpianatra asa58◗ Adidin’ny mpampiasa ny mandahatra59 sy manome fiofanana arak’asa eto an-toera- na na any ivelany ho an’ny mpiasa am-perinasa tsy ankanavaka ; mandritra ny fiofa- nana dia mitohy ny asa ary mitohy ny fandraisan-karama ; misy fifanarahana manan-kery mandritra ny roa taona60 ifanaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa momba ny hanohizan’ny mpiasa ny asany miaraka amin’ny fisondrotana araka asa sy ny fison- drotan-karama vokatry ny fiofanana ;◗ Adidin’ny sampandraharam-panjakana misahana ny asa mendrika sy ny INTRA61 ny manampy tosika sy manamora ny fanatanterahan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny fiofanana araka asa ;◗ Adidin’ny sendikà ny mampiofana ny mpiasa amperinasa hahafehy ny lalàna mifehy ny asa, hanaja izany ary ho sahy mitoroka ireo tranga fandikan-dalàna eo amin’ny tontolon’ny asa ; ◗ Tanterahana mandritra ny ora fiasana andavanandro ny fiofanana araka asa sy ny fanabeazana ny mpiasa momba ny zony sy ny adidiny ;