Ny VSF PPSE Manakara dia manaiky fa Ohatra amin'ny andininy

Ny VSF PPSE Manakara dia manaiky fa. - Mametraka an’ Andriamatoa ………………………, teknisiana voaofana sy manana traikefa ary monina ao amin’ny kaominina ……………….- Manentana momba ny fomba famokarana mikajy ny tontolo iainana (voly rakotra, fanaovana kaomposta, …) eo amin’ny voly maharitra (kafe, jirofo, …), eo amin’ny fambolena hazo fihinam- boa, sy hazo, ny voly traka sy ny ahitra sakafon’omby.- Hanofana an’Andriamatoa mba hanaraka ny teknika vaovao- Hanofana an’Andriamatoa ……………………… eo amin’ny fifidianana sy fitsaboana ary fitehirizana ny masom-boly- Hanofana an’Andriamatoa……………………….. momba ny fitantanana ny toeram-pambolena ahitr’omby sy ny fanatsarana ny valan’omby- Manao fanara-hamaso ara-teknika ara-potoana sy hentitra ny toeram-pambolena eo ampanombohana ka mandram-pioty ny vokatraNy fanara-hamaso dia ataon’ny Teknisianina sy ny Teknisianina mpanaramaso- Manampy amin’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny TIAVO, manamora ny fikarakarana ny fangatahana sy ny fanekena findramam-bola ao amin’ny TIAVO.- Hoan’ny tantsaha mpiara miasa vaovao (fotoam-pambolena voalohany), mampidrana kojakojam- pambolena (doria, zezika, fanafody) izay haverina vola iray volana aorian’ny fiakaran’ny vokatra (azo atao ny mamerina io vola io mialoha), miaraka amin’ny zana-bola 3% isam-bolana.