R. Olivine, mpampianatra amin’ny sekoly iray eto an−drenivohitra nivoaka tao amin’ny gazetiko tamin’ny 18.11.17 Ohatra amin'ny andininy

R. Olivine, mpampianatra amin’ny sekoly iray eto an−drenivohitra nivoaka tao amin’ny gazetiko tamin’ny 18.11.17. FAMPANANANA ASA◗ Misokatra an-kalalahana sy ara-potoana ho an’ny olompirenena rehetra ny antonta- nisa sy ny antontan-kevitra momba ny fampananana asa52 Tsy asiana sary, taona, fiankohonana ny antontan-taratasy itadiavana asa mba hisorohana ny fanavakavahana amin’ny fampananana asa ; ◗ Ny fanatevenana ny seha-pamokarana amin’ny alalan’ny indostria manodina ny akora avy eto an-toerana no antoka hamoronana asa betsaka, mamokatra, mahari- tra ary mendrika ; Atao hentitra ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fampananana asa ataon’ny orinasa vaventy : isan’ny fepetra ahazoany fahazoandalana53 hanao asa famoka- rana eto Madagasikara ny famoronana asa betsaka ; ◗ Hamaivanina ny hetra aloan’ny orinasa vao misokatra mandritra ny fotoana voafe- tra mba hahafahany mamorona asa ; Hamaivanina ny hetra aloan’ny orinasa mamorona asa betsaka (ka asiana ma- son-tsivana) ; ◗ Manaja ny lalànan’i Madagasikara ny fifanarahana asa ataon’ny orinasa amin’ny mpiasa vahiny ary vola Malagasy no mari-bola ampiasaina ; Ferana ny fe-potana ijanon’ny mpiasa vahiny mba ho fampitana fahaizana sy traikefa ihany no andraikiny ; Ferana ho telo ka hatramin’ny enim-bolana farafahabetsany ny andrana asa, ary aorian’izay dia mivadika ho mpiasa raikitra avy hatrany – CDI54 ) ; foanana ny CDD55 ; Fehezina ny asa isan’andro56 lavareny mba hiteraka fampananana asa men- drika sy maharitra ; ◗ Tohanan’ny Banky Fampandrosoan’ny firenena Malagasy ny tetikasan’ny tanora amin’ny taha ambany ; Afaka miara-miombona antoka ny Fanjakana amin’ny alalan’ny SONAPAR izay misintaka tsikelikely ; ◗ Tohanana ny teratany Malagasy izay manao famoronana sy fanavaozana (“création/ innovation”) ; ◗ Foanana ny asa mamoafady amin’ny endriny rehetra ;