Service Civique” − “Génie militaire Ohatra amin'ny andininy

Service Civique” − “Génie militaire. DINIKA POLITIKANy Governemanta, ny Antenimiera, ny vondron’ny mpiasa, ny vondron’ny mpampiasa, ary ny fiarahamonimpirenena no mandray anjara amin’ny dinika politika eo amin‘ny efa- tonta sy ny telotonta : CESC – Rafitra efatonta Filankevitra mifandray amin’ny Antenimiera◗ Mijoro sy miasa araka ny voafaritry ny Lalampanorenana ny CESC.Amin’ny alalan’ny CESC no ifampitondran’ny fanjakana amin’ny mpiasa, ny mpampia- sa sy mpandraharaha, ary ny fiarahamonimpirenena momba ny dinika politika mahakasika ny toe-karena, ny sosialy ary ny kolotsaina. Laharampahamehana ho an’ny CESC ny fandinihana ny hitarihana ny seha-pamokara- na ivelan’ny fenitra ho tafiditra amin’ny ara-dalàna sy ny ara-drariny amin’ny lafiny fandra- harahana sy ny lafiny sosialy. CSTE – Rafitra telotonta Filankevitra sy Mpanara-maso mifandray amin’ny Fiadidian’ny Governemanta◗ Atsangana ny Vaomiera nasionaly momba ny asa sy ny fampanana asa (CSTE15)Ny CSTE dia rafitra telotonta Filankevitra tsy azo ihodivirana ho an’ny Fiadidian’ny Governemanta, misahana ny raharaha rehetra mikasika NY TONTOLON’NY ASA SY NY FANDRAHARAHANA ARY NY FANABEAZANA : Manolo-kevitra amin’ny fanomanana ny volavolan-dàlana sy ny didy isan’ambaraton- gany ary ny programam-panjakana ; Manara-maso ny fanatanterahana ny didy aman-dalàna sy ny tolo-kevitra rehetra mi- kasika ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ary ny fanabeazana Manao fanadihadiana sy manome ny heviny momba ny fanendrena ny mpia- sam-panjakana ambony.16 Mankamin’ny Governemanta sy ny Andrimpanjakana fahefatra Mpanaramaso sy Mpanabe ary Mpanaitra17 Manao ny fitoriana eny amin’ny fitsarana mahefa. Ireo solontena avy amin’ny CNT, CSFOP, CESC no mandrafitra ny CSTE.