FIVORIAMBE
FIVORIAMBE
FILOHA: Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxxxx
MPITANTSORATRA: Ramatoa isany: -RAKOTOMANGA Lantoarivola Sedera
- XXXXXXXXXXX Xxxxxxxx
FOTOANA: Alatsinainy 23 Mey 2022, tamin’ny 3 xxx xx 55 minitra, hariva.
FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-xxxxxx laharana faha-026/2021 tamin’ny 15 Desambra 2021 «autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement partiel du Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar PRIRTEM I conclu le 29 novembre 2021 entre la République de Madagascar et la Banque Européenne d’Investissement (BEI)»
Nitohy ny Alatsinainy 23 Mey 2022 tamin’ny 3 xxx xx 55 minitra, hariva, ny fivorian’ny Antenimierampirenena.
Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Xxxx Xxxxxxxx, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa no nitarika izany.
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Xxxxxxxxxxx Mpitarika fivoriana dia niangavy ny Mpitantsoratra hanao ny fiantsoana anarana.
Nanatontosa izany Ramatoa RAKOTOMANGA Lantoarivola Sedera, Kestora Faharoa eto amin’ny Antenimierampirenena.
Rehefa avy nisaotra azy tamin’ny nanatanterahany izany, Xxxxxxxxxxx Mpitarika fivoriana dia nampahatsiahy ny fandaharam-potoana araka ny voalaza etsy ambony ary niangavy ny Mpampakatenin’ny Vaomiera mba hamaky ny tatitra momba izany.
Xxxxxxxxxxx ANDRIANAMBININA Djohary Xxx, no nanatontosa izany ka toy izao no fivakiny:
Nivory ny Alarobia 18 Mey 2022 maraina, ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, ny Vaomieran’ny Toekarena sy ny Fanaovana Tetipivoarana, ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano ary ny Vaomieran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, nandinika ny Volavolan-xxxxxx laharana faha-026/2021 tamin’ny 15 Desambra 2021 “autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement partiel du Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar PRIRTEM I, conclu le 29 novembre 2021 entre la République de Madagascar et la Banque Européenne d’Investissement (BEI).
Andriamatoa ANDRIAMIASASOA Doda Nirimboavonjy, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam- bola sy ny Tetibola, no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo Solombavambahoaka mpikambana xx xxxx’ny Vaomieran’ny Fitantam-bola sy Tetibola tonga nivory:
Andriamatoa isany:
1. ANDRIAMIASASOA Doda Nirimboavonjy
2. XXXXXXXXXXXX Xxxxxx
3. RANDRIAMANAMPISOA Xxxxxx
4. ANDRIAMANATRIKARIVO Pierrot
5. RABENIRINA Maminiaina Solondraibe
6. XXXXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxxx
7. XXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxx
Ireto avy ireo Solombavambahoaka mpikambana xx xxxx’ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano tonga nivory:
Andriamatoa isany:
1- RANDRIAMANAMPISOA Xxxxxx
2- XXXXXXXXXXXX Xxxxxx
3- ANDRIAMIATRIKARIVO Xxxxx Xxxxx Xxxxxxx
Ireo mpikambana xx xxxx’ny Vaomieran’ ny Toekarena sy ny Fanaovana Tetipivoarana tonga nivory:
Andriamatoa RALAMBOMANANA Fenoherintsoa
Ireo mpikambana xx xxxx’ny Vaomieran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro tonga nivory:
Andriamatoa isany:
1- ANDRIAMIASASOA Doda Nirimboavonjy
2- ANDRIAMIATRIKARIVO Xxxxx Xxxxx Xxxxxxx
Ireo teknisiana solotenan’ny Minisitera:
Andriamatoa sy Ramatoa isany,
1. RAZAFINDRAMBOARIMANANA Xxxxx DDP/DGT
2. RAJAONA Ambinintsoa N. DDP/DGT
3. RAMIANDRASOA Sambatra DGEH/MEH
4. XXXXXXXXXXXXXXX Xxxxxxxxx SG/MEH
5. RAHARISON Mirana Coordo PRIRTEM
6. RATSIAVAHANA Mbinison Xxxxxxx DDP/MEF
7. ANDRIANAIVOHERY Xxxxxxxx DIR CAB
8. RAMANANTSOA Xxxx XXXXXX
9. XXXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxxxx DG Transports
Rehefa avy nirahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny avy hatrany ny teknisiana ny fitenenana mba hanazavany ny antonanton’ny volavolan-xxxxxx.
Xxxxxxxxx ny teknisiana fa ny tetikasa PRIRTEM dia hampifandray ny tambazotran’ny herinaratra Antananarivo sy Toamasina izay mitondra “ligne électrique 220KV”.
Mizara dimy (5) ny loharanon’ny famatsiam-bola araka izao manaraka izao:
- BAD 35 500 000Euro;
- BEI 81 300 000 Euro;
- KOREA EXIM BANK 40 900 000 Euro;
- Union Européenne 21 500 000 Euro;
- Fanjakana Malagasy 14 000 000 Euro.
Natao ity famatsiam-bola ity noho ireto antony manaraka ireto:
- Hanatsarana ny famatsiana ny herinaratra amin’ny faritra andalovany,
- Hampiakarana ny “taux d’accès” amin’ny herinaratra xx xxxx’ny faritra voakasika
- Hampihenana ny vidin’ny herinaratra amin’ny faritra,
- Mba tsy hiankinan-doha be loatra amin’ny “énergies fossiles” fa mba hampiasana ny angovo azo havaozina.
Ireo faritra andalovany dia Analamanga, Alaotra-Mangoro, Atsinanana. Misy “sous station” ao Moramanga sy Brickaville mba ahafahana mamatsy ireo toerana ireo. Hisy ihany koa ny fanaovana ny “électrification rurale”.
Famatsiam-bola avy amin’ny BEI ity tetikasa ity izay mitondra “ligne côtière haute tension” Ranomafana-Toamasina, Antsampanana-Toamasina.
Nohamafisin’ny teknisiana fa mifanandrify sy mifameno amin’ny vinan’ny fampandrosoana ny firenena ity tetikasa ity.
Xx xxxx’ny lafiny ara-bola dia fampindramam-bola maharitra mandritra ny 25 taona ity findramam-bola ity, ka ny 4 taona voalohany tsy hamerenana zanabola. Ny tahan’ny zanabola dia 1,5%, izany hoe ity fifanarahana ity dia “semi concessionnel”. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa tsy lafo ny famatsiam-bola avy amin’ny BEI.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fanamarihana ny mpivory, ka nohamafisin’ny teknisiana fa ny Fanjakana dia miezaka hatrany mba tsy hisian’ny fahataran’ny fandoavana ny trosa.
Nampanantena ihany koa izy ireo xx xxxx’ny fotoam-pivoriana manaraka dia hoentina amin’ny antsipiriany ny «coût» ividianana ny herinaratra ao Volobe.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory.
Fanontaniana sy valiny:
1- Mbola mahazaka hitrosa an’io vola io ve ny Fanjakana Malagasy?
Manaja ny resaka «plafond d’endettement» ny fitondram-panjakana ka hatreto dia mbola tafiditra tsara ao anatin’izany ity PRIRTEM ity.
2- Misy ve ny «permis environnemental et social» amin’izao fametrahana tetikasa izao? Efa xxxxxxx-pahazoana ny «permis environnemental» avy amin’ny ONE ny tetikasa amin’izao. Misy fandraisan’ny Fanjakana Malagasy xxxxxx xxxx’ity tetikasa ity mba hanonerana ireo fananana, fambolena, toeram-ponenan’ireo mponina andalovan’ny tetikasa ka tsy maintsy ravaina.
3- Aloa indray mandeha ve ny trosa sa alefa tsikelikely arakaraka izay filàna?
Atao «décaissement» tsikelikely ny vola ka arakaraky ny vola «décaisser» no andoavana ny tahan’ny zanabola izay 1,5% isan-taona.
Izay vola efa voaverina dia tsy andoavana zanabola intsony. Toy izany koa ny vola mbola tsy nanaovana «décaissement».
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory.
Noho ny tsy fahatratrarana ny fetr’isa ahazoana manapakevitra dia naato 30 minitra ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena.
Taorian’izay dia nankatoavin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, ny Vaomieran’ny Toekarena sy ny Fanaovana Tetipivoarana, ny Vaomieran’ny Angovo sy ny Rano ary ny Vaomieran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny Volavolan- xxxxxx laharana faha-026/2021 tamin’ny 15 Desambra 2021 “autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement partiel du Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar PRIRTEM I, conclu le 29 novembre 2021 entre la République de Madagascar et la Banque Européenne d’Investissement (BEI) ary hoentina eo anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany.
Nifarana tamin’ny 11 xxx xx 30 minitra, atoandro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Xxxxxxxxxxx Xxxxxx
Taorian’izay, nanambara Andriamatoa Mpitarika fivoriana fa hiditra amin’ny fanitsiana tatitra ny mpivory; tsy mbola miditra amin’ny adihevitra aloha, fa ny tatitra no ahitsy raha misy an’izany ary avy amin’ny Solombavambahoaka aloha vao ny solotenan’ny Governemanta.
Samy tsy nanana fanitsiana mikasika ny tatitra na ny Solombavambahoaka na ny solotenan’ny Governemanta.
Rehefa izany, nomena fitenenana, Andriamatoa RAMAROSON Andry, Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo hanazava ny antonanton’ny volavolan-xxxxxx
Nambarany fa mbola ho avy koa ny PRIRTEM II sy ny PRIRTEM III aorian’izao PRIRTEM I izao, saingy ity tetikasa ity aloha no entina eto amin’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao.
Nomarihany fa tafiditra amin’ny Velirano faharoan’Andriamatoa Filohampirenena ity tetikasa ity sady ao anatiny ihany koa ny fampitomboana ho xxx xxx xxxx ny famokarana angovo eto Madagasikara. Izany hoe, tokony ho tafiditra any antokantranon’ny vahoaka Malagasy ny fanatsarana sy ny fahazoana angovo.
Nambaran’Andriamatoa Minisitra koa, fa tambazotra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ny PRIRTEM I. Ny PRIRTEM II kosa dia hampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe saingy mbola ity PRIRTEM I ity aloha no resaka amin’izao fotoana izao.
Nomarihany, araka ny voalazan’ny tatitra teo, fa ahitana loharanom-bola miisa 5 ity tetikasa ity, ka ireto avy izy ireo: ny BAD dia nanome famatsiam-bola mitentina “35 500 000 Euro”.
Ny BEI mamatsy vola “81 300 000 Euro”, ny an’i KOREA EXIM BANK, vola mitentina “40 900 000 Euro”, ny “Union Européenne”, 21 500 000 ary ny Fanjakana Malagasy xxxx,
xxxx “14 000 000 Euro” no anjarany.
Nomarihany hatrany, fa efa nandalo teto anivon’ny Antenimierampirenena tamin’ny taona lasa ity tetikasa PRIRTEM I ity. Tamin’izay fotoana izay, ny BAD na ny “Banque Africaine de Développement” no namatsy vola azy; mbola tohiny izy ity, saingy ny BEI na ny “Banque Européenne d’Investissement” indray no mamatsy vola azy. Izany hoe, mizarazara ny famatsiam-bola.
Nambarany, fa miainga avy eto Antananarivo mankany Antsinanana no xxxxx’ny tambazotra vatsian’ny BAD vola, raha miainga avy any Ranomafana mankany Toamasina kosa no vatsian’ny BEI. Misy “sous station” miaraka amin’ity tetikasa vatsian’ny BEI vola ity, fa tsy andrinjiro sy tariby ihany.
Lehibe ny tetikasa, ka tokony hisy tobim-pamokarana miaraka aminy. Tsy ny PRIRTEM no mamatsy vola izany, xx xxxxx’ny isika niresaka momba ny tetikasa tao Sahofika talohan’izao, nisy fananganana fotodrafitrasa, fa raha ny PRIRTEM I indray dia i Volobe no resahana ao anatiny, izay hisy 120MW ny angovo ho azo raha vita ny fotodrafitrasa. Sarotra ny hitatitra io angovo io raha tsy ny PRIRTEM I no hanaovana azy. Mifampiankina amin’ny tetikasa momba an’i Volobe teo aloha izy ity ary tsy ho lanin’ny Distrikan’i Toamasina irery ny angovo hovokarina ao aminy, fa hoentina manao ny “réseaux interconnectés” izay azo amatsiana Distrika hafa ihany koa. Izany hoe, afaka mifameno ny fotodrafitrasa raha sanatria misy fahatapahana ny sasany.
Mikasika ny fanamarihana momba ny “plafond d’endettement»: nambarany fa efa nandalo teto Madagasikara ny FMI na ny “Fonds Monétaire International”; vao avy tany “Washington” koa ny Filohampirenena ary niresaka tamin’ny “Banque Mondiale” sy ny FMI ny xxxxxx. Araka ny tatitra voalaza nivoaka tamin’io fihaonana io no nanambaran’izy ireo, fa voasokajy ho anisan’ny firenena “sous endetté” i Madagasikara ka mbola maivana amintsika ny fandoavana trosa. Noho izany, tsy tokony hatahotra hitrosa vola tahaka izao isika noho ny halehiben’ny tetikasa hatao mba hanavotana an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny Angovo. Nomarihany koa fa tsy hisy fisandratana ho an’ny firenena iray raha tsy matanjaka ny angovo ao aminy.
Momba ny orinasa JIRAMA kosa, mandalo olana lehibe tokoa izy. Amin’izao fotoana izao, efa mihoatra ny 1000 Ariary ny “coût de production” amin’io orinasa io kanefa amidy latsaky ny 450 Ariary ny vokatra avy ao aminy na ny 1KWh.
Raha tanteraka ity tetikasa PRIRTEM ity dia hampiditra “énergies hydroéletriques” betsaka mba hoentina hanavotana Faritra maro, toy ny any Atsinanana sy ny manodidina azy.
Koa manainga antsika olom-boafidy, fa raha ankatoavinareo Solombavambahoaka ity tetikasa fampindramam-bola ity dia hisoratra amin’ny tantaran’i Madagasikara izany satria ny firenena mihitsy no ho tafita rehefa misitraka fotodrafitrasa lehibe tahaka izao isika.
Nambarany fa vonona hamaly sy hitondra fanampim-panazavana ny xxxxxx raha mbola misy fanontaniana tian’ny Solombavambahoaka hapetraka.
Izay no namaranany ny fandraisam-pitenenany sady nisaotra ny rehetra koa Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo.
Taorian’izay, nisaotra an’Andriamatoa Minisitra, Xxxxxxxxxxx Mpitarika fivoriana sady nanambara, fa hiditra amin’ny adihevitra ankapobeny ny mpivory.
Rehefa izany, nomena fitenenana ny Solombavambahoaka, ka ireto avy izy ireo:
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxx,
- Ramatoa RAHERIARIJAONA Xxxxxx Xxxxxxxx,
- Andriamatoa RAKOTOMALALA Miarintsoa Andriantsitonta,
- Ramatoa RASOAZANANIERA Xxxxx Xxxxxxx Xxxxxxxxx,
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXXXX Xxxx Xxxxxxx,
- Andriamatoa XXXXXXXXXXXXXXX Xxxxxxx Xxx,
- Andriamatoa RAKOTONDRAVAO Xxxxxxx,
- Andriamatoa RABEMANANTSOA Xxxxxxxx Xxxxxxx,
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXX Xxxxxx Xxxx,
- Andriamatoa RAKOTARISOA Rasoava Xxxx Xxxx,
- Andriamatoa FIAROVANA Lovanirina Xxxxxxxx,
- Andriamatoa RAHASIMANANA Xxxx Xxxx,
- Ramatoa BAOFENO Xxxxxxxxx,
- Ramatoa VOAHANGINIRINAZAFIMANDIMBY Xxxxx Xxxxxxxx,
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXX Xxxxxxx Xxxxx Xxxxxxxx Xxxxxx,
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXXX RAKOTONIRINA Xxxx Xxxxx,
- Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXXXX Xxxxx Xxxxxxxxx,
- Ramatoa XXXXXXXX Bavy Xxxxxxxx.
Tamin’ny fandraisana fitenenana, nitambaran’izy ireo ny ahiahy hoe: sao tsy hanamora sy tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny resaka fanjifana angovo ity tetikasa ity rehefa vita soa aman-tsara.
Nangataka koa ny Solombavambahoaka andalovan’ny tetikasa ny Distrika nahavoafidy azy ireo, mba hisitraka fotodrafitrasa, amin’izay mba hisy fandrosoana any aminy.
Saika nankasitraka ny asa efa vita momba ny veliranon’ny Filohampirenena izay andraisan’Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo anjara lehibe ny ankamaroan’ny Solombavambahoaka nandray fitenenana.
Tao ny naneho fisaorana noho ny fandraisan’Andriamatoa Minisitra ny antso antelefaonina ataon’ny Solombavambahoaka amin’ny famahana ny olana any xxxxx xx ny famaliana ny fitarainan’izy ireo momba ny resaka angovo.
Tokony hifampiresaka ny Minisitra amin’izay antso antelefaonina izay, satria misy ireo tsy mandray antso mihitsy, ka tsy mety amin’ny Solombavambahoaka ny zavatra tahaka izany.
Nisy ny nanamarika fa tsy mifidy fotoana amin’ny fidinana ifotony koa ny xxxxxx raha ny fotodrafitrasa tokony hatao no resahana.
Maro no nangataka ny hahazoana jiro fanampiny izay mandeha amin’ny xxxxx’ny masoandro na “lampadaire” mba hisian’ny hazavana, ka hiteraka fandrosoana sy fandriampahalemana any amin’ny Distrika sy ny Kaominina izany raha azo atao.
Nisongadina ny fanamafisan’Xxxxxxxxxxx ANDRIANAMBININA Xxxxxxx Xxx, ny tokony hanehoana ny “permis environmental et social” alohan’ny hanaovana ny tetikasa, indrindra koa ny tokony hampidinana ambanin’ny 450 Ariary ny vidin’ny 1KWh amin’ny herinaratra mba hahazoan’ny vahoaka tombotsoa rehefa vita ny tetikasa.
Xxxxxxxxxx Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXXXXX RAKOTONIRINA Xxxx Xxxxx, fa raha momba herinaratra, hadinon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo tanteraka ny mandalo sy mamaha ny olana momba izany any amin’ny Distrikan’i Soanierana-Ivongo na efa nisy aza resaka nifanaovana teny anivon’ny Minisitera.
Ramatoa XXXXXXXX XXXX Xxxxxxxx xxxx niangavy xx’Xxxxxxxxxxx Xxxxxxxxx, mba hijery manokana an’i Fénérive-Est momba ny fampiasana herinaratra ary naniry ny hisitrahan’ny Distrikany an’izao tetikasa izao.
Nanamarika Xxxxxxxxxxx RAHASIMANANA Xxxx Xxxx, fa tsy mikasika ny tetikasa no andraisany fitenenana, fa ny tokony hijeren’ny Minisitera ireo olona misompatra ny asan’ny JIRAMA. Izany hoe, misy andian’olona mamono ny xxxxx’ny JIRAMA, indrindra xxx xxxx’ny “arrêt bus” ka miteraka fahatapahan-xxxx xx tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra izany.
Nohamafisiny ihany koa fa saika lasa fangatahana avokoa no ataon’ny Solombavambahoaka, xx xxxx miverina amin’ny “ordre du jour”. Raha misy zavatra iangaviana an’Andriamatoa Minisitra, tokony ho any amin’ny biraony no hanaovana izany, fa tsy amin’ny fandinihana volavolan-xxxxxx toy izao.
Taorian’izay, niroso tamin’ny famaliana ny fanamarihana sy ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka, Xxxxxxxxxxx XXXXXXXXX Xxxxx, Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, rehefa nomen’Xxxxxxxxxxx Mpitarika fivoriana, fitenenana.
Nanome fampanantenana ny xxxxxx xx hidina ifotony, ka hijery sy hamaly ny fangatahan’ny Solombavambahoaka araka izay azo atao.
Nialatsiny koa ny xxxxxx xx avy nandalo tsy fahasalamana ka izay no antony nahatonga ny tsy famaliana ny antso antelefaonina tao anatin’ny fotoana vitsivitsy. Amin’izao kosa, efa xxxxxx xx hiezaka ny hifandray amin’ny Solombavambahoaka, hijerena izay fampandrosoana tokony hatao.
Nambarany ihany koa, fa hiezaka hitsidika ireo Distrika naharaisana fitarainana ny tenany alohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ho avy izao.
Nomarihany talohan’ny namaranany ny teniny, fa tsy maintsy miakatra ny vidin’ny solika noho ny halafon’ny “xxxxx” izay mitentina 120 Xxxxxx xxxx’izao fotoana izao raha 55 Dolara no nividianana izany tamin’ny taon-dasa. Izany hoe, efa tokony hiomana amin’ny zavatra mety hiseho ny rehetra.
Teo ampamaranana ny teniny, fitaomana ny Solombavambahoaka no nataony mba handany ny volavolan-xxxxxx satria hitondra fandrosoana ho an’i Madagasikara amin’ny resaka angovon’aratra ity tetikasa ity.
Fisaoarana azy tamin’ny famaliana ny hetahetan’ny Solombavambahoaka koa no nasetrin’Andriamatoa Mpitarika fivoriana izany, taorian’izay.
Mbola nisy Solombavambahoaka nangataka fitenenana, ka nomena azy izany.
Nanambara Andriamatoa VONINAHITSY Xxxx Xxxxxx, fa malahelo ny xxxxxx noho ny tsy famalian’Xxxxxxxxxxx Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo ny fangatahana fihaonana taminy, kanefa izy no “Ministre coach” any amin’ny Xxxxxxx Xxxxxx. Tsy rariny izany, koa mangataka fanazavana avy amin’Andriamatoa Minisitra raha azo atao.
Rehefa izany, nandray fitenenana, Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo ary nambarany fa noho ny tsy fahasalamana nandalo taminy no tsy nahafahany namaly ny fangatahana nataon’ny Solombavambahoaka avy xxxx xxxx’ny Faritra Melaky izay iandraiketany. Nambarany koa xx xx avy hijery akaiky ny Faritra Melaky ny xxxxxx ato ho ato.
Fisaorana no nomen’Xxxxxxxxxxx Mpitarika fivoriana azy, taorian’izay.
Tsy nisy Solombavambahoaka nandray fitenenana intsony ary nambarany, fa hiditra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-xxxxxx ny mpivory.
Nomarihan’Andriamatoa Mpitarika fivoriana, fa ahitana andininy roa ny volavolan-xxxxxx xxx araka ny voalazan’ny andininy faha-158 xx xxxx’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena, amin’ny fandaniana fifanarahana iraisam-pirenena toy izao dia tsy azo kitihana ireo andininy ireo, fa na laniana na tsipahina na ahemotra ny fandaniana azy.
Nambarany ihany koa fa ny andininy faha-90 xx xxxx’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena no ampiharina amin’izao fandraisana fanapahan-kevitra izao.
Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka miisa 33 no nandany; tsy nisy nitsipaka sy tsy nilaza ny heviny; tsy nisy nangataka fanemorana.
Rehefa izany, nambaran’Andriamatoa Mpitarika fivoriana, xx xxxx ny volavolan-xxxxxx laharana faha-026/2021 tamin’ny 15 Desambra 2021 «autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement partiel du Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar PRIRTEM I».