FAMPITAM-BAOVAO
CENI/SEA/DIREELCOM/SCRP- 003-18
FAMPITAM-BAOVAO
Antananarivo 17 janoary 2018
Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra samihafa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ny fandavorariana ny fikarakarana ireo fifidianana ho avy rehetra eto Madagasikara. Izany no natao mba hahatrarana ny vina napetrany dia ny « Fitantanana fifidianana azo antoka sy ara demokratika ».
Amin’izany indrindra dia nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha- miasa ny CENI sy ny fiarahamonim-pirenena ROHY (Rindran'ny Olompirenena Hiarovana ny Iaraha-manana). Ity fiaraha-miasa ity izay tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana xxxx xxxx’adim-pirenena amin’ny fanabeazana sy fanentanana ara- pifidianana izay novolavolain’ny CENI sy ny Fandaharan’asan’ny firenena mikambana ho an’ny Fampandrosoana tamin’ny 2016.
Ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanentanana ara-pifidianana xx xxxx’ny mpifidy tsirairay hahatongavana amin’ny latsa-bato tompon’andraikitra sy ny fanentanana ho amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay amin’ny fiainam-pirenena amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato no anton’izany fiaraha-miasa izany. Izany fifanarahana izany no natao hahatongavana amin’ny fandraisan’ny maro an’isa andraikitra amin’ny raharaham-pifidianana izay antoky ny demokrasia.
Manambatra hery noho izany ny CENI sy ny fikambanana ROHY mba hanatanterahana ireo politikan’ny fanabeazana sy fanentanana ara-pifidianana izay hikasika sehatra maromaro toy ny fanabeazana sy fanentanana mivantana ireo mpifidy, ny fanamafisana ny fahaizan’ireo mpikambana xx xxxx’ny ROHY mikasika ny fanatsarana ny fanaraha-xxxxx’ny fifidianana. Mifanaiky ny xxx xxxxx ny handray an- tanana ireo fepetra rehetra amin’ny fanatanterahana ny xxxx’adim-pirenena momba ny fanabeazana sy fanentanana ara-pifidianana.
Commission Electorale Nationale Indépendante
Rue Xxxxxxx Xxxx, enceinte ININFRA en face du Lycée Technique Alarobia Antananarivo Service de la Communication et des Relations Publiques
Tel : 000 00 000 00 mail: xxxxxxxxxxxxxxxxx@xxxxx.xxx Facebook: CENI Madagascar / Site web : xxx.xxxx-xxxxxxxxxx.xx