Impôt sur les revenussalariaux et assimilés. ◗ Mandoa hetra ny olom-pirenena tsirairay 21 taona noho mihoatra – ankoatra ny mpianatra na noho ny antony manokana – mba hitovy zo sy adidy ny olom-pirenena rehetra, ary mba hialana amin’ny fidonàna-poana49 ; ◗ Ny Faritra no vondrombahoaka itsinjarampahefana manangona ireo hetra ireo ary mampiasa izany ho an’ny fampandrosoana ny faritra ; ◗ Miainga ao amin’ny Faritra no hahazoana ny antontanisan’ireo mpiasa mandoa he- tra, mila misitraka ny fiahiana sosialy. ◥ Ny 94 %n’ny asa eto Madagasikara dia tsy manana fiahiana ara-tsosialy◥ Ny 2 isan-jaton’ny mpiasa any ambanivohitra (izay 93 % n’ny Malagasy) no ma- nana fiahiana ara-tsôsialy. Nalaina tao amin’ny gazetiko, nivoaka tamin’ny 6.5.17 ◗ Misitraka ny fiarovana ara-tsosialy ny mpiasa rehetra, ary isan’izany ny mpiasa tena sy ny tsy an’asa : fisotroan-dronono, fiahiana ara-tsosialy, fanohanana ireo tratry nyloza sy aretina vokatry ny asa,fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny ankoho- nany, fanohanana nohon’ny tsy fiasana,…) ary mandoa latsakemboka ho an’izany ; ◗ Mitovy ny fitondrana ny mpiasa rehetra ary kitapom-bola iray ihany no misahana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa rehetra (mpiasam-panjakana, mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ivelan’ny fenitra, mpiasa tena) ; ◗ Apetraka isaky ny Faritra ny CRaPS ahafahana mandoa ny latsakemboka sy manao ny fiahiana ara-tsôsialy ; ◗ Ny vola avy amin’ny Fanjakana foibe (avy amin’ny fadin-tseranana, ny fifampiraharahana iraisampirenena, ny fitrandrahana vaventy) no manatevina nykitapom-bolan’ny CNaPS sy ny CRaPS itsinjovana ireo anjoria50 vaovao : ny mpiasa tena sy ny fahaverezana asa. ◗ Sokafana amin’ny fiaraha-monim-pirenena ny Filakevi-pitantanan’ny CNaPS ;