Responsable de la gestion oumanagement des ressources humaines. Fiahiana sosialy ny solotenan’ny mpiasa sy ny tomponandraikitra mpampiofana23 sympifampiraharaha24 eo anivon’ny sendikà ; ◗ Malalaka ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka hamonjy ny fiofanana karakarain’ny sendikà ; ◗ Ampidirina any amin’ny programam-pampianarana sy fiofanana araka asa ny anto- ny sy ny fanaovana ny dinika sosialy sy ny dinika politika ary ny fiahiana sosialy. VOAMARINA SY AHITAM-BOKATRA ny Dinika sosialy sy ny Dinika politika, ka ny mari-drefy amin’izany dia : ◗ Mijoro sy miasa ireo rafitra rehetra anaovana dinika politika sy dinika sosialy ary manana ny toeram-piasany sahaza (birao misy “wifi”); ◗ Vita fanavaozana ny politika sy programam-pirenena ary ny didy aman-dalànamomba ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ary ny fanabeazana; ◗ Tafapetraka avokoa ny fifanarahana iombonana25 (“Convention collective”) isa-tse- ha-pihariana sy isaky ny toeram-piasana; ◗ Omena toerana iasanany sendikà (birao sy “wifi”) isaky ny toeram-piasana aha- fahany manomana ny fifampiraharahana. 1-3- ASA MENDRIKA ho an’ny olom-pirenena rehetraASAM-PANJAKANA◗ Ankatoavina ny Fifanarahana Iraisam-pirenena OIT laharana faha-151 momba ny mpiasam-panjakana. ◗ Havaozina ny Sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana, avoaka ireo didy fampihara- na ary tanterahana : Tanterahana avy hatrany ny fampitoviana ny marikarama26 ho an’ny mpiasam-panja- kana rehetra, araka ny vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny Jona 2017 tao anatin’ilay tetikasa « sendikà matanjakà antoky ny fandrosoana lovainjafy »27 ; Ampitovina ny andran’asa amin’ny asam-panjakana : Soloina ho CDD28 mandritra ny